<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ario ny tahotrao FFPM460</title>
<lyrics>[V1]
 Ario ny tahotrao,
 Ry olona osa fo !
 Izay lazain'ny Tomponao
 Tsy hisy tsy ho tò ;
 Ny fisentoanao
 Dia reny avokoa ;
 Ny feon'ny fitarainanao
 Valiany tokoa.

[V2]
 Mpanjaka lehibe
 No itokianao ;
 Ny tanany mahery re
 No hamonjena anao ;
 Tsy misy mahalà
 Izay tiany hatao :
 Handositra amin-tahotra
 Ny fahavalonao.

[V3]
 Ny fitondràny soa
 No iankinonao ;
 Koa aoka hofidiny koa
 Izay halehanao ;
 Na dia tsy takatrao
 Ny sainy lalina
 Izay tendreny ho anao
 Ekeo ho marina.

[V4]
 Ry Tompo tsara ô !
 Mba mijere anay,
 Na reraka aza re ny fo
 Tohanonao izahay :
 Ovay ny hevitray,
 Ny fonay hazavao,
 Izay atoronao anay
 Hizoranay izao.</lyrics>
<hymn_number>460</hymn_number>
</song>